Voasakana ilay hetsika nokasain'ny depiote Rajerison Antoine
notanterahina teny amin'ny kianja fampiadiana akoholahy teny Imerintsiatosika, distrikan'Arivonimamo omaly Alarobia 17 Septambra. Vao maraina mantsy dia efa nihatrana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana notarihin'ny lehiben'ny distrikan'Arivonimamo. Nambaran'ity tompon'andraikitra farany tamin'izany fa tsy nahazoana alalana ny hetsika, antony nanaovan'izy ireo ny fisakanana. Na izany aza tsy nanaiky ireo vahoaka efa vory lanona teny an-toerana fa nitsioka kirioka sy niantsoantso ihany ka raikitra ny fidinana andalambe namakivaky ny araben'Imerintsiatosika. Nambaran'ny depiote Rajerison Antoine fa fijoroana ho an'ny fahamarinana sy fitiavan-tanindrazana no antony nanaovany ny hetsika amin'ny maha-solombavambahoaka azy. Be loatra ireo tsy rariny mitranga eto amin'ny tany sy ny Firenena hoy izy. Rehefa mijoro anefa ny olona tahaka azy dia fisamborana no narangaranga taminy ka fantatra fa voasava hatrany ambanin'ny fandrinany teny Fonenana Imerintsiatosika. Tsy fahavalonareo aho hoy izy fa mitondra ny tenin'ny vahoaka sy ireo maharary azy. Rehefa tsy mety dia hahitsy hoy hatrany izy fa tsy izay mijoro mitaky ny fahamarinana no hatao savahao.
Pati
Légende : Tahaka izao ny hetsika nataon'ny vahoakan'Imerintsiatosika !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.