Depiote Voahangy

« Misy lamosina be manohana ny Praiminisitra »


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny Depiote Raharimanarivo Voahangy manoloana ny zava-misy

eto amin’ny firenena taorian’ny nahalany azy ho solombavambahoakan’Atsimondrano voafidy tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina. Nasiany resaka manokana tamin’izany ny nandanian’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza an’Atoa Ntsay Christian ho lehiben’ny governemanta indray. Nambarany fa misy lamosina matanjakabe manohana ity tompon’andraikitra iray ity ao matoa izy mbola tafaverina indray eo amin’ny toerany ihany ary na ny Filoham-pirenena aza mety voafatotra ao anatin’izany. Misy tsy firaharahiana vahoaka ao hoy izy fa ny fijerena ny tombontsoa manokana ihany no zava-dehibe. Madagasikara tsy mandroso no misy eto. Tsy antenaina koa hoy izy ny hisian’ny governemanta misokatra sy ny olom-baovao ao anatin’ny governemanta satria ny olona tsy mahomby dia miaraka amin’ny olona tsy mahomby toa azy ihany koa. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa ho sarotra ny mbola hiainan’ny tsy fahombiazan’ny governemanta Ntsay Christian mandritra ny 5 taona ho avy indray.
Pati
Legende : Depiote Raharimanarivo Voahangy, voafidy tamin’ny anaran’ny Firaisankina teny Atsimondrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT