“ Ny fanamboarana hopitaly sy ny fanatsarana ny lemaka no nahakasika ny distrikan’i Vavatenina tamin’ny Politika Ankapoben’ny fanjakana.
Tsy ratsy izany saingy ny olana tena maika any dia ny fanamboaran-dalana sy ny fandriampahalemana. Tantsaha ny maro ary misehatra amin’ny fambolena lavanila ny ankamaroan’ny mponina. Mbola hanjakan’ny halatra anefa any ary mijaly ny vahoaka amin’ny famoaham-bokatra. Izany no tena maika kanefa tsy hita taratra ao anatin’ny PGE”.
Depiote Ambositra
Olana ny hazo fanaovana asa tanana
Ny asa tanana no mampiavaka ny any Ambositra kanefa tsy misy ny hazo ampiasaina noho ny fandrarana ataon’ny fanjakana. Ny alan-goavy sisa no alain’ny mpanao asa tanana hanaovana ny asa ary tena matahotra izy ireo amin’ny fanapahan-kazo. Tokony hojeren’ny fanjakana any ifotony ny olana fa tsy mazava ireo hazo tsy azo kapaina satria lasa safo be mantsina fotsiny kanefa maro ihany ny hazo azo anaovana asa tanana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.