Na dia ny talata 16 jolay izao ny fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vao voafidy amin` ny handinihin` izy ireo ny ho mpikamban` ny birao maharitra ao amin` ny lapan` Tsimbazaza dia fantatra fa samy mikaondoha avokoa ireo depiote isanisany.
Taorian` ny fanambarana nataon` ireo depiote tsy miankina ny herinandro lasa teo, dia sesilany ny fivoriana ao Tsimbazaza. Marihana fa maherin` ny telopolo izy ireo no milaza fa hanohana ny fotokevin` ny Filoham-pirenena ka manodidina izany no tenaa hiompanan` ny fivoriana. Misy milaza fa fandrika ho an` ny mpitondra ny fisian` ireo depiote avy amin` ny tsy miankina ireo ka tsy maintsy mitady paikady mamafa izany izy ireo. Etsy ankilany, mivory ihany koa ireo depiote IRD. Miainga amin` izany mantsy ny hanoloran` izy ireo ny ho praiministra. Ho tonga any amin` ny tsontsori-mamba isarahana ve izany ny filoha Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian, izay niainga tamin` ny hetsiky ny depiote 73 teny amin` ny kinajan` ny 13 mey. Mety mbola ho voatazona fanindroany ve? Tombananana koa ny mety hivohan` ny feo amin` ireo olon` ny IRMAR no tokony hanendrena olon-kafa indray. Etsy andaniny, ao anaty fivoriana ihany koa ireo antoko nahazo seza ao amin` ny Antenimieram-pirenena. Ny antoko Tiako I Madagasikara dia ao anaty fivoriana mikatona tanteraka fa azo antoka fa ny fanamafisana orina ny fanoherana eto amintsika no tena hiompanana izany fivoriana izany. Araka izany, andrasan` ny mpanara-baovao ato anatin` ny herinandro ny tohiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.