Politique

Depiote tsy miankina Ahoana no hifehezana azy ireo ?


  • Zoma 12 Jolay 2019

Malalaka ny olona rehetra milatsaka hofidiana ivelan’ny antoko. Araka izany, malalaka ny fomba fiasany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’ny maha solombavambahoaka tsy miankina azy. Nisy 30 mahery no nilaza fa hanohana ny fitondrana.

 Tsy ao anatin’ny antoko politika izy ireo ka tsy voafehin’ny and.faha-72 ao anatin’ny lalàmpanorenana fa nanao fanambarana fotsiny amin’ny fanohanana. Sarotra izay amin’ny tsy fifehezana azy izay dia afaka miova indray izy any aoriana fa tsy mety aminy ny fiarahana amin’ny fitondram-panjakana. Isika mila zavatra marin-toerana. Tsy tokony ho amin’ny fahitany azy sy fandanjany azy fa tokony hisy zavatra mipetraka hitondrany an’ilay izy fa tsy arakaraka ny tombontsoa manokana. Anisan’ny tsara dinihina sy ovana ihany ny mahakasika ny tsy miankina. Rehefa tonga ny fotoan’ny asa ao amin’ny antenimieram-pirenena dia tokony hanao fanambarana izy ireo raha miaraka amin’ny mpanohatra na amin’ny fitondrana ka rehefa manao ny safidiny izy dia tokony hametraka taratasy fifanekena kanefa tsy voafehy eo amin’ny lalàna izany fa ny etika politika no mitondra azy ka mila fanatsarana mahakasika izany. Hahavita hanara-maso ny asan`ny mpanatanteraka ve ireo depiote tsy miankina ? Tsy hampifangaro ny fanaovan-dalàna sy ny fanamboaran-dalana ? Antenaina mba tsy ho vitan`ny fananganan-tanana fotsiny rehefa eny Tsimbazaza na koa hiketrika tombontsoa manokan`ny tena sy ny fianakaviana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT