Politique

Depiote tsy azo enjehina Nifoha ilay raharaha vola miliara roa baoritra


  • Zoma 13 Novambra 2015

Mafana ny adihevitra eny Tsimbazaza mikasika ny fanalana ny zo tsy azo enjehina ananan’ny solombavambahoaka, mahakasika an’i Mara Niarisy voafidy tany Ankazoabo Atsimo, tamin’ny anaran’ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM).

Vola be

Misisika ny governemanta mba hirosoan’ny famotorana azy. Mitsivalana kosa ireo depiote, izay milaza fa hanangana vaomiera manokana mpanadihady aloha. Mifandrirotra i Mahazoarivo sy Tsimbazaza amin’ity raharaha ity. Ao anatin’izany no mifoha ny raharaha manodidina ilay vola roa baoritra nifanaovan’ny depiote MAPAR voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-2 Antananarivo, Lanto Rakotomanga sy ny polisy, bandy sy rôla teny Namontana ny alin’ny 9 jona 2015. Efa-bolana aty aoriana, tsy re be tsy re kely ny tohin’ny raharaha, nefa nanaovan’ny fanjakana fanambarana nipoapoaka fa tratra ambodiomby (flagrant délit) ny Solombavambahoaka Rakotomanga Lanto ? Nanaovan’ny mpitondra serasera be ity raharaha ity, noho izy nitranga tao anatin’ny fotoana nikasan’ny depiote hanongana ny filohan’ny Repoblika tao anatin’ilay «motion de déchéance» nalefa teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Nilokaloka ny jeneraly Rakotoarison Anthony, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny toby Ratsimandrava ny ampitson’ny nahatratrarana ny vola be, fa tsy maintsy hampahafantarina ny anton’ny fisavana sy ny votoatin’ny heloka maha «flagrant délit» an’iny kanefa hatramin’izao dia tsy hita izay tohiny. Etsy an-kilany ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), izay efa nanambara ihany koa fa tsy miandry fitoriana intsony manomboka izao fa na vaovao mampiahiahy mivoaka an-gazety aza dia efa azo anokafana fanadihadiana. Nahagaga anefa fa tsy nihetsika ny Bianco sa depiote tsy azo enjehina ?

Mijanona ho mistery

Miandry koa ny maro, ny hivoahan’ny marina tao ambadiky ny famonoana ny kapiteny Andriatiana Falihery tany Betroka tamin’ny volana septambra. Maro ny anarana voatonontonona tao anatin’io raharaha io, nisy mpitandro ny filaminana nisy olomboafidy eny hatramina depiote. Mby aiza ny raharaha ankehitriny ? Sa dia hijanona ho mistery toy ny nahafatesan’ny kolonely Richard Ratsimandrava ihany koa ? Mpandraharaha maro mpanafatra entana any Shina ihany koa no mikaikaika amin’ny nanaovana depiote azy ireo. Ny vola saran’ny fitondrana ny entana efa nefaina, nefa ny entana tsy voaray. Misy mihaino ve ny fitarainan’izy ireo sa olona tsy azo kitihina no ao ambadik’izao raharaha izao, dia ampanginina any ?

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT