Politique

Depiote Todisoa Andriamampandry « Tsy matahotra na iza na iza aho fa manao ny rariny »


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry ny faran’ny herinandro teo nandritra ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023

notanterahin’ny antoko TIM Atsimondrano teny Avarabohitra Itaosy. Nambarany fa tsy matahotra na iza na iza izy fa manao ny rariny. Diso tohana loatra mantsy ny fony nahita ireo vahoakan’Itaosy marobe tonga nihaona tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana norarafin’ny mpitandro ny filaminana baomba lakrimozena. Vahoaka tanam-polo hoy izy nefa dia hampiasana herim-pamoretana tahaka izany. Nankahery ireo mpikambana TIM eny Atsimondrano ny tenany nandritra izany no sady miantso firaisankina sy herintsaina ihany koa mba tsy hisy ho kivy. Samia manaraka tsara ny drafitra sy ny toromarika omen’ny filoha Ravalomanana hoy izy fa 1er tour ihany io dia vita.
Pati
Legende : Ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM teny amin’ny Boriborintany fahaenina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT