Politique

Depiote Todisoa Andriamampandry “Tohizantsika ny fanamboaran-dàlana...”


  • Zoma 26 Mey 2023

Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).

Lalana rarivato na “pavé mirefy 1km no atao teto, ary mandeha an-tsakany sy an-davany ny fanatanterahana, raha ny fizotrany eny an-toerana. Angady nananana sy vy nahitana an’izany ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eny Ambohimanarina. Nisy ny fidinana ifotony nataony niaraka tamin’ireo fokonolona nanara-maso ny asa tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity. “Marihina fa efa fampanantenana nomena tamin’ny vahoaka ny fanamboarana an’ity lalana ity làlana ity, ka manatanteraka izany isika izao”, hoy ny Depiote Todisoa Andriampandry. Tsy vao sambany io, fa efa nahazo ny anjarany ny fokontany Ambaravarankazo, Ambodihady Ambohimanarina,… Mbola ho avy ny an’ny fokontany hafa fa aza manahy, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry, izay nanipika hatrany, fa tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Nankasitraka hatrany ny ezaka ataon’ity depiote sady mpanao lalàna no manao lalàna ity kosa ireo mponina, ary misy mihitsy no maneho fa raha tahaka izao avokoa ny olom-boafidy, mandroso I Madagasikara. Ankoatra ny tetikasa làlan-kely moa, dia misy ireo asa sosialy samihafa ataon’io Depiote io, ka isan’izany ny “cours” maimaimpoana ho an’ireo hanala fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea hanomboka ny 03 jona izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT