Politique

Depiote Todisoa Andriamampandry Mitohy ny fanamboaran-dàlana isam-pokontany


  • Zoma 12 Mey 2023

Taorian’ny teny amin’ny Fokontany Ambaravarankazo, dia tao amin’ny Fokontany Ambodihady Ambohimanarina no nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanamboaran-dàlana,

ary nanara-maso ny fotodrafitrasa natao ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Efa ho vita ny nangatahan'ny mponina teto Ambodihady izay nampanantenaina azy ireo fa hatao, raha ny fanamarihana. Miangavy ny mba hikojakojaina ny fotodrafitrasa rehetra izay natao kosa ity olom-boafidy ity, izay izy tenany mihitsy no miditra an-tsehatra miara-mitakosona amin’ny rehetra amin’ny fanamboarana. Maro ny asa vita fa mbola maro ihany koa no hiarahan-tsika manantanteraka ary tsy ho diso anjara ny fokontany rehetra, hoy hatrany depiote Todisoa Andriampandry, izay nanamarika “tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”. Maneho fankasitrahana azy hatrany kosa ireo mponina satria ny fokontany 31 tsy misy tsy mahazo tombotsoa, raha ny fanamarihana. “Rehefa manao dia tena manao fa tsy potipotiny, tsy sasatra mihintsy fa midina eny ifotony. Tsy mpanao làlana fa mpanao lalàna fa ankasitrahana foana ny fidirana an-tsehatra hanasoa vahoaka”, hoy ny olona. Tsy resaka làlana ihany moa no ahafahantarana ity depiote ity, fa ny fanofanana olona hanao asa fihariana toy ny fanamboaran-tsavony, ny fanofanana ny tanora amin’ny teny vahiny, ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT