Politique

Depiote Todisoa Andriamampandry “Mialà rehefa tsy mahavaha ny olam-bahoaka


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

” Tsy mbola depiote dia efa niasa, ary mitohy izany, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry nandritra ny nofon-kena mitam-pihavanana nentina nisaorana sy nanaovana tatitra ny vahoaka ny sabotsy teo, ka 2000 mahery ireo solontena.

 

 Miditra amin’ny andiany faharoa ny fampianarana informatika maimaimpoana ho an’ireo tanora ao Ambohimanarina ary misy fampianarana asa tanana zaitra sy asa tanana. Fokontany maromaro   no amboarina ny lalankely sy ny tetezana, asiana fanasan-damba,... Mba tsy hisian’ny filaharana rano intsony, dia hametraka “pompe à main” maimaimpoana izy. Nambarany fa rehefa tsy mahavita ireo mpitantana dia tokony hametra-pialana na hesorina ka tsy ny Talen’ny Jirama ihany no halana fa eo ihany koa ireo tompon’andraikitra hafa toy ny minisitra. Nambarany fa tsy Ambohimanarina ihany no mila vahaolana fa ny vahoaka Malagasy rehetra. Miakatra izao ny rano, ka manao antso avo amin’ny APIPA, minisiteran’ny rano, minisiteran’ny fambolena, minisiteran’ny fananan-tany,… fa tsy mety mihitsy ity fanotorana tany ity izay manimba ny famelomantenan’ny vahoaka mpamboly, hoy ity depiote io. Ny fako mila jerena. Ho azy, dia mahakivy ny asan’ny governemanta, hita mihitsy hoe tsy misy zavatra mandeha, ka mikaikaika ny olona, raha tsy hilaza afa tsy ny vidim-piainana.  Nisy ny fampanantenana nataon’ny fitondrana fa tsy nisy tanteraka izany, raha ho an’ny boriborintany fahenina. Aoka ny vahoakan’Ambohimanarina tsy hampijaliana amin’ny resaka fotodrafitrasa fa ny depiote Todisoa kosa hanao izy tratry ny heriny hikaroka mpiara-miombon’antoka rehefa tsy hanao ny fanjakana, hoy hatrany izy. Hiezaka hametraka tobin-janaparitra (poste avancé) koa izy mikasika ny tsy fandriampahalemana ao Ambohimanarina.

Toky R sy Sitraka r.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT