Politique

Depiote Todisoa Andriamampandry Manofana ny olona hahay hanamboatra savony


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Ao anatin’izao fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy izay tena hita taratra amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka izao,

miezaka mitondra vahaolana araka sy tratrany sy tandrify azy ny depioten’I Madagasikara voafidy teo anivon’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra Todisoa Andriamampandry. Manohy ny asa sosialy fanaony ity depiote ity, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana ny olona hanangana fihariana amin’ny fanofanana ny olona hanamboatra savony. Teny amin’ny Fokontany Ankazomanga indray no nanohizan’ity depiote ity sy ny mpiara-miasa aminy, ka maro ireo afaka nisitraka fizarana fahaiza-manao izany, izay mety hanampy amin’ny fahasahiranana sy azo avadika ho asa fivelomana mihitsy. Naneho fisaorana sy fankasitrahana eo anatrehan’ny finiavana sy fitiavana asetrin’ity olom-boafidy ity kosa ireo vahoaka. Ankoatra ny asa amin’ny maha mpanao lalàna sy solontenan’ny vahoaka eo anivon’ny Antenimiera, maro ireo fanampiana mivantana sy ankolaka entin’ity depiote ity toy ny fampianarana teny anglisy ho an’ny tanora sy ny maro hafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT