Politique

Depiote Todisoa Andriamampandry “Efa miala aina ny Fanjakana ankehitriny”


  • Talata 20 Jona 2023

Nisy ny baiko maro isan-karazany azo avy amin’ny Fitondram-panjakana, ka teo ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG),

ny minisitry ny atitany, ary eo ihany koa ny manam-pahefana izay milaza azy ho tompon’Antsirabe milaza azy ho manam-pahefana, dia ny governora, hoy ny depiote TIM voafidy teny amin’ny boriborintany faha-6 Atoa Todisoa Andriampandry omaly naneho hevitra mikasika ny fanakanana ny Antoko TIM. Izy izay isan’ireo depiote 10 nitarika vahoaka sy niatrika ny daroka lakrimozenina tany Antsirabe ny sabotsy lasa teo. Nahitsy anefa izy nilaza fa na teo aza ny baiko nanaovana izay tsy hisian’ny olona, ny tifitra grenady variraraka nihatra tamin’ny vahoaka hatramin’ny ankizy tsy ampy taona, eny na ny Filoha Ravalomanana aza nambanana basy, ny solombavambahoaka voatositosika, dia tsy nahasakana ny vahoaka, fa niaraha-nahita ny zava-nisy. “Ity Fitondrana ity, ny mpitondra, ary ireo manam-pahefana tao an-toerana dia kanosa. Izaho dia isan’ny niantso nivantana tamin’ny fahitalavitra hoe: raha lehilahy izay milaza azy ho governora, na ny Préfet, na ny SEG, dia mijoroa sy mahasahia manatrika vahoaka sy miatrika anay”, hoy hatrany ny depiote Todisoa Andriamampandry, izay nilaza fa manao adina akoholahy fataka ireo. Tsy nisalasala noho izany ny tenany nilaza fa vaky barara sy niaraha-nahita, fa tsy misy maharesy ny vahoaka izany na misy azan y fampiasana herim-pamoretana. Endrika tsy fisian’ny demokrasia ireny, misy ny herim-pamoretana, zavatra tsy tokony hatao ireny. Ny dikan’ireny dia efa miala aina ny fitondram-panjakana, vao mainka hahery vahoaka, vao mainka hitarika ny vahoaka sy izahay mpitarika tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra tsy mety eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, hoy I Solombavambahoaka sady mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT