Politique

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Taorian’ny fivoriana niarahanay tamin’ny Birao politikan’ny TIM, dia nanapa-kevitra izahay Vondrona Parlemantera TIM,

 

 fa tsy handray anjara ary tsy hiady hevitra momba ny volavolan-dalàna  01-2019 satria mandika tanteraka ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-14 izany, hoy ireo teny Tsimbazaza omaly nialohan’ny tsanga-tànana. Mitaky ny didy fampiharana ny lalàna 2011-013 izay mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara izahay mba hisian’ny tena demokrasia marina eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny fanambarana niraisan’ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny TIM miisa 16, izay novakian’ny Filohan’ny vondrona Parlemanteran’izy ireo dia ny Depiote Randrianantenaina Olivier Anthony José voafidy tany Antsirabe II. Nialohan’io fanambarana io, dia tsiahivina fa efa nanapa-kevitra ny hifidy an’i Marc Ravalomanana ho Lehiben’ny mpanohitra eto Madagasikara ireo depiote TIM ny 19 aogositra lasa teo. Natao omaly ny fivoriambe niadian-kevitra momba io lalàna io, ary holaniana amin’ny alalan’ny tsanga-tànana anio. Tsy hanatrika izany ny depiote avy amin’ny antoko TIM.

Lehiben’ny mpanohitra eny Tsimbazaza

Tany amin’ny asan’ny Kaomisionina momba ny lalàna raha ny loharanom-baovao iray, dia nisy ny karazana fanamarihana sy fanakianana nataon’ny depiote Johasy Eleonore hoe: Ahoana moa izy io no fanoherana ao anatin’ny parlemantera fotsiny (opposition parlementaire) dia ahoana ny avy any ivelany (opposition extra-parlemantaire/non parlementaire) tao anatin’ilay fanovana. Nihanjahanja teo ny ekipan’ny fitondrana. Nandeha ny adihevitra ka hoe atsofoka ao io fanoherana ivelany io ary omena “titre”. Noketrehina novaina ho “alinea” na soratana kely fotsiny,  ary nezahina navoitra ny hoe: mody ekena ilay “extra-parlemantaire”, fa ilay ao Lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimiera no atao ambony sy manan-danja kokoa noho ilay ofisialy, hoy ny loharanom-baovao. Andrasana izay tena ho endrik’ilay lalàna. Naman’ny nanasa tànana amin’ny fitondrana manoloana ny heveriny fa fangejana ny fanoherana sy ny fanitsakitsahana ny lalàna ary ny demokrasia ny TIM amin’ity lalàna heverin’izy ireo fa kitoatoa ity. Tantara mitohy !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT