Politique

Depiote TIM nifidy an’i Christine R “Tsy ny solombavambahoaka no toherinay”


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Tsy manohitra depiote izahay, ary tsy manohitra olona ny depiote TIM, fa rehefa misy ny zavatra azo ifampiresahana sy ahafahana mampiakatra ny hasin’ny antenimieram-pirenena,

 

 dia atao, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa nanazava ny antony nifidianan’izy ireo an-dRtoa Christine Razanamahasoa ho filohan’io andrim-panjakana io. Ny tadiavinay dia fampiharana ny zon’ny mpanohitra ao amin’ny antenimiera, fampiharana ny demokrasia, ka na misy aza ny maro an’isa dia mila mihaino sy mandray ny soso-kevitry ny vitsy an’isa. Izay no nifampiresahana hoe rehefa kandida mahavaha izay olana izay, indrindra fa ny fanampiana ny antoko mpanohitra amin’ny fanatanterahana sy ny fampiharana ny lalàna momba ny fanoherana izay tsy mbola ampiharina dia notohonana, raha ny nambarany. Tsy ny depiote no toherina satria tsy ireo no manana programan’asa fa ny governemanta, ka izahay dia nametraka hoe rehefa tsy mitovy hevitra aminareo mikasika programan’asa, dia mitondra vahaolana sy soso-kevitra ihany koa, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT