Depiote teo aloha Irénée Djaosera

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny alakamisy 16 janoary alina ny solombavambahoaka teo aloha,

Irénée Djaosera, izay voafidy tao Analalava, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Miisa 3 izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika ary misy vehivavy iray voampanga fa eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana. Ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy fitaterana haren-dranomasina amin'ny andro alina tsy misy fahazoan-dalana, fanamparam-pahefana, fanaovana kolikoly sy fanodinkodinana fitaovam-panjakana no voalaza ho vesatra niampangana azy ireo. Misy ny mpiara-miasa tamin’ity depiote ity fahiny no nitondra fanazavana fohy, izay nilaza mazava fa valifaty politika no nanjo an'ity depiote ity. Tany amin'ny volana jona 2024 tany ho any, efa nisy olona akaiky ny fitondrana ankehitriny nandrahona azy fa «raha mbola miteniteny na manakiana ny fitondrana eo ianao dia ho gadraiko!». Tsy rariny ny fomba nisamborana azy ankehitriny io satria mpandraharaha niantsehatra teo amin'ny fiompiana ireo hazan-dranomasina ireo izy ary ny vokatra tao aminy ihany no nentiny izay nitarika ny fisamborana azy. Nolazaina ho nisy kolikoly ihany koa kanefa findramam-bola nataony tamin'ny banky no nahafahany nandraharaha, hoy hatrany ny fanampim-panazavana nataon'ny mpiara-miasa taminy teo aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT