Depiote Rossy

“Hitombo avo 100 heny ny olona hanaraka an’ireo manomboka androany!”


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Nihetraketra sy nampiasa sandry ny zandary, hoy ny depiote Ramasimanana Paul Bert na Rossy, omaly hariva.

Betsaka ireo zandary sy polisy tanora no tsy mitandro filaminana fa mihetraketraka, hoy izy. Miantso antsika zokibe rehetra mpitondra tanora sy mpitaiza tanora hihaona haingana. Tsy teny aho fa niasa tato Tsimbazaza satria eo afovoany. Rehefa mahita mpitandro filaminana mitifitra “à bout portant” vavan’olona dia tsy izany no nampianarina antsika zandry! “Conflict de génération” na tsy fifankahazoana eo amin’ny zokiny sy zandriny no zava-misy eny an-toerana. Tanora kely daholo na ny polisy na ny zandary. Manao Rambo! Mpitandro filaminana ianareo tompoko fa tsy mpirombo hiady amin’olona! Avoahay ny depiote fa tsy azo samborina anaty fivoriana na “session” ny depiote! Inona ilay “flagrant délit” na heloka bevava nataon’olona nivorivory teo? Avoahay ilay depiote fa tsy olonolom-poana fa lehibena vondrona mihitsy! Misy olona aorian’ireo depiote ireo. Ho itanareo ny voka-dratsin’iny androany iny! Hitombo avo 100 heny ny olona hanaraka an’ireo manomboka androany. Tanànako ity! Fantatro ny toetran’ny olona eto. Fantatro ny malagasy fa olon’ny fo. Ho be dia be tsy ho zakanareo ny haben’ny olona hiaraka amin’ireo ao aorian’iny. Mitady fandaminana aho tompoko! Ato amin’ny antenimieram-pirenena no mbola rafitry ny repoblika tsy nihetsika fa nilamina. Miantso an-dramatoa lehibenay hampiantso ireo olona ireo dia mba hanao resak’olon-dehibe fa tsy mety ny mifandratra sy mifampidera sandry toy ireo. Ho anareo mpanao gazety, mba ataovy ny fanadihadiana hoe iza no mibaiko mandefa an’ireny? Ntsay Christian ve? Jeneraly Richard ve? Jeneraly Andry ve? Manohy ny tohiny izahay, hoy hatrany i Rossy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT