Harofanina ho an’ireo mpanao politika Malagasy no nandanianay depiote 79 mpomba ny fitondrana an’ireo volavolan-dalàna fehizoro niisa 3 mikasika ny fifidianana hotanterahina eto amintsika amin’ity 2018 ity omaly talata 3 aprily, hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas,
fa be loatra ny tsy maty manota eto amin’ny firenena. Depiote vonona ny hampandroso marina ny firenena izahay ireo matoa tsy mba niala tao an’efitrano fivoriana fa ny handany an’ireo volavolan-dalàna hatolotry ny governemata no antony nifidianan’ny vahoaka anay hampivoarana ny toe-piainan’ny olom-pirenena Malagasy tsirairay. Ireo sasantsasany nivoaka ny efitrano kosa dia depiote mpanakorontana fotsiny tsotra izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.