Ny filoha lefitry ny anteminieram-pirenena Malagasy Faritany Toliara, Jean Jacques Rabenirina, notronin'ny solombavambahoakan’i Madagasikara
voafidy tao Vohipeno no nisolotena an-dRtoa filohan’ny antenimieram-pirenena nametraka ny samboadin’ny depiote Randrinasolo Jean Nicolas voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, araka ny didim-pitsarana laharana faha 45-HCC/AR tamin'ny 2 jolay 2019 namoahana ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana natao tamin’ny 27 mey 2019. Tao amin’ny toerana atao hoe : “Place Iakora” ao Betroka tampon-tanàna no nanaovana ny lanonana nanasan’Atoa depiote Nicolas mivady ny havana aman-tsakaiza sy ny vahoakan’i Betroka avy amin’ny kaominina 22 any an-toerana tamin’ny 14 aogositra 2019 lasa teo.
Ankoatra ny fisaorany ny vahoakan’i Betroka mbola namerina ny fitokisana amin’ny tenany indray dia nampanantena ny depiote Nicolas fa vonona hampahatsiahy hatrany amin’ny filoha Andry Rajoelina ny velirano nataony tany Betroka ny hanatsarana ny tampon-tanànan’i Betroka sy ny hanamboarany ny lalam-pirenena faha-13 … Nambarany tamin’ireo vahoaka tonga nihaino azy koa fa izy dia tsy ho depiote hanohitra be fahatany ny fitondram-panjakana fa hampahatsiahy mandrakariva kosa ny fampanantenana natao tamin’ny fampielezan-kevitra. Ny tenako koa, hoy izy, dia tsy ho depiote ho mpanangan-tanana fotsiny sanatria ao anivon’ny antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza fa hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka mandrakariva.
Ntsoavina Evariste
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.