Politique

Depiote Randrianantenaina José Mbola anatin’ny heriny ny TIM Ravalomanana


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Nampiseho ny heriny sy ny mbola fijoroany tanteraka ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) miaraka amin’ny filoha Ravalomanana ao Vakinankaratra nandritra ny hetsiky ny legalista ny sabotsy 12 novambra lasa teo.

 Raha ny fanazavana nomen’ny Depioten’Antsirabe II teo aloha, Randrianantenaina José, filoha Rezionalin’izany antoko izany dia mbola mipetraka tsara avokoa ireo rafitra rehetra ao amin’ity antoko ity ao amin’ny faritra Vakinankaratra, manomboka any amin’ny Fokontany ka hatrany amin’ireo Kaominina sy Distrika. Notsiahiviny fa manana olom-boafidy betsaka ity antoko ity ary mbola mifandray tanteraka amin’ireo mpitantana saingy noho ny zava-misy sy tahotra an’ireo mpitondra amin’izao fotoana dia mamitsaka aloha ireo Ben’ny tanàna. Na izany aza dia misy hatrany ny sasany amin’izy ireo tonga ao amin’ny Magro Avaratsena ary hiaraha-mahita izany. Nolazain’ity mpitarika ity fa tsy mandray baiko afa tsy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana izy ireo. Nanana solontena tamin’ity hetsika ity avokoa moa ireo Distrika mandrafitra ny Faritra Vakinankaratra io sabotsy io ary nanome toky fa tsy hamadika ny filoha Ravalomana ny any amin’ny Distrika rehetra any. Ankoatra izay dia nahatonga solontena tao Antsirabe ihany koa ny avy any Melaky notarihin’Atoa Andrianarivo Vonjy sy ny avy any Malaimbandy notarihin’Atoa Randrianiaina Tahiana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT