Araka ny voalazan’ny lalàm-panorenana Malagasy ao amin’ny andininy faha-88, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles filohan’ny Fizafa, dia tsy maintsy amin’ny alalan’ireo lalàna fehizoro 3 mikasika ny fifidianana ankapobeny sy ny fitsapahan-kevim-bahoaka sy ny mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena ary mikasika ny fifidianana parlementaire vao lany tetsy amin’ny Antenimiera roa tonta teo no hanatanterahana an’ireo fifidianana ho tanterahina eto amintsika amin’ity taona 2018.
Izaho depiote Randriamahefa Henri Charles, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Moramanga ity, dia nandray andraikitra ka nifidy an’ireo lalàna ireo fa efa miandry fifidianana ny vahoaka nefa tsy misy fifidianana azo hatao raha tsy lany ireo lalàna fehizoro 3 hifehy ny fifidianana ireo. Nolazain’ny namako depiote niaraka voafidy tamiko tany Moramanga fa tsy tompon’andraikitra amin’izay korontana mety hiseho taorian’ny fandaniana an’iny lalàna iny izy. Ambarako etoana anefa fa tsy hamboly korontana amin’izany velively ny vahoaka any amin’ny distrika misy anay fa ny resaka fampandrosoana miankina amin’ny fambolena sy fiompiana, ny resaka fahasalamana sy fianarana ary ny fiainana an-davanandro amin’ny ankapobeny no tena maharevo azy ireo. Ka io namana depiote izany no mety hamboly korontana raha misy izany. Enga anie ka ho voasonia alohan’ny faha-15 aprily izao ny lalàna vao lany rehetra teo mba hafahana mamarana amin’ny faha-15 mey izao ny lisim-pifidianana eny amin’ny fokontany rehetra mba hahazoan’ny Ceni mamoaka ny datim-pifidianana marina izay hatrehana.Ny fifidianana madio sy marina ary mangarahara tanteraka no handrandrain’ny vahoaka Malagasy amin’ity taona 2018, hoy ny depiote Randriamahefa Charles.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.