Politique

Depiote Ramboasalama Emilien “Tsy ekenay ny fanoloana PDS ny ben’ny tanàna”


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Nisy fihanaombe sy fiaraha-misakafo tetsy amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina ny sabotsy lasa teo nentin’ny depiote Ramboasalama Emilien nisaorana ny vahoakan’ny Boriborintany faha-IV tamin’ny fametrahana fitokiasana taminy.

 

 

Nanaovana ny tatitra momba ny fivorian’ny antenimieram-pirenena mba tsy ho tompon-trano mihono satria efa teny nomeny izany, ary adidin’ny solombavambahoaka rahateo. Nivoitra moa ny fandrafetana ny birao maharitra sy ny kaomisionina samihafa.  Tadiavina hokitihina ny lalàna mifehy ny fanoherana, ka nohamafisiny fa tsy azo ekena ny fikitihana lalàna efa lany, kanefa tsy mbola navoaka ny didy fampiharana. Raha izany no mandeha dia mizotra any amin’ny tany tsy tan-dalàna ary efa manangasanga ny didy jadona ka tsy ekenay, hoy izy. Mikasika ny fifidianana, dia mazava fa 90 andro mialoha ny fiantsoana ny mpifidy. Misy kajikajy politika atao ao, fa tokony hatao ny fifidianana. Izahay dia tsy hanaiky velively ny fanoloana ny ben’ny tanàna ho Filohan’ny Delegasionina manokana (PDS) izany, hoy izy. Zavatra roa ihany raha ny voafaritry ny lalàna no hahafahana manao izany, dia ny fisiana fahadisoana lehibe nataon’ilay ben’ny tanàna, ary ny faharoa dia toe-javatra manokana toy ny fahafatesana na olana ara-pahasalamana tsy hahavitana ilay asa intsony, na koa zavatra manokana toy ny toe-draharaha tamin’ny 1991. Tsy manaiky ny kajikajy politika izahay, ary hanohitra marindrano izany, hoy io depiote io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT