DEPIOTE RAJERISON ANTOINE

Alefaso ny fifidianana sefom-pokontany


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Mitaky ny hanatanterahana ny fifidianana

sefom-pokontany ny depiote Rajerison Antoine voafidy tany amin'ny distrikan'Arivonimamo. Ireny olona tendren'ny Fitondram-panjakana ireny mantsy dia nambarany fa misy tsy mipetraka ao amin'ilay Fokontany tantanany akory fa mpisolelaka nalatsaka avy any ambony fotsiny. Misy koa tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory nefa tokony hampiditra ny anaran'ireo mpifidy feno 18 taona anaty lisi-pifidianana. Tsy lazaina intsony ny olana eo amin'ny bokin'omby raha ny nambarany...Olona manana andraikitra goavana ny sefom-pokontany hoy izy ka tokony hofidiana fa banky ropotra ny vahoaka madinika indrindra fa ireo monina eny anivon'ny tontolo ambanivohitra raha izao no mitohy. Notsiahiviny moa fa ny 80%-n'ny mponina dia tantsaha mpamokatra avokoa. Ny 5%-n'ny teti-bolam-panjakana isan-taona monja anefa raha ny nambarany no natokana ho azy ireny izay efa tena tsy rariny intsony. Miandrandra fanitsiana mandritra ny fanapahana ny teti-bola taona 2026 araka izany ity Solombavambahoaka iray ity.
Pati
Légende : Ny depiote Rajerison Antoine tsy nitsitsy fitenenana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT