Politique

Depiote Perle Zafinandro “Izay nampahantra ny vahoaka no mpamadika”


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Mamaly bontana ny avy amin’ny fitondrana izay manenjika ireo depiote IRD niova lasy ireto farany ankehitriny, ary manomboka mafimafy ny tsindro-paingotra mandeha.

Iza no mivadika? Anontanio ny rehetra! Antonio ireo depiote, iza aminay solombavambahoaka 151 no sahy milaza fa sambatra ny vahoakany? Mijaly avokoa, mifohaza, aza fitahina ny vahoaka nifidy anareo, ny tombotsoanao no atakalonao ny tombotsoam-bahoaka. Mila mifoha tsy misy fepetra!”, hoy ny Depioten’I Taolagnaro Perle Zafinandro. Lazaina fa namadika ny IRD ireo depiote lasa miaraka amina olon-kafa. “Izaho mahita ny tsy mety manandevo ny vahoaka manerana an’I Madagasikara indray izany no mamadika fa tsy ny nanome fampanantenana antsika tsy nahavita ny asany sy mampiditra antsika anaty fahantrana tahaka izao ka iza no namadika”, hoy hatrany izy . Matahotra ianareo, hoy izy, miteny hoe: iza no namadika, fa izahay tsy matahotra miteny an’izany. Raha izaho ny tamin’ny toeran’ny Filoha fa izao tsy amin’ny toerany, fa izaho aza tao nisalasala hoe: voafitaka izahay, inona ity? Izaho te handadilady amin’ny vahoaka hoe: azafady fa voa isika, voafitaka isika,… hoy io depiote izay lasa niara-dia amin’I Siteny Randrianasoloniaiko io. “Ny fananantsika nalaina, maty mosary ny Malagasy. Tsy salama avao ny any Atsimo, Andrefana, Avaratra, Atsinana rehetra any, afatsy ny olona vitsivitsy manefoefo. Tsy hanaiky izany isika fa mila fanovana”, hoy hatrany Rtoa Perle Zafinandro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT