Depiote Orlando Ramananarivo

« Mpamotika fa tsy mpiahy ireo Minisitra coach roa! »


  • Alarobia 04 Jona 2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

indrindra ny ao Boeny sy Betsiboka sy ireo Minisitra mpiahy. Voatsikera mafy ny Minisitry ny fanatanjahantena Atoa Marson Moustapha sy ny Minisitry ny fampianarana ambony Loulla Chaminah, saingy mandeha ihany koa ny fampitenenana olom-boafidy mpanara-dia amin’ny fitondrana hamely ny depiote. Naneho ny solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga II Andry Orlando RAMANANARIVO izay rapporteur ao amin’ny Vondrona Parlemantera UPAD (Union Parlementaire pour la Démocratie) fa anisan’ny antoko telo lehibe manohana ny fitondrana ny vondrona misy azy ireo. Nandritra ny fifidianana Ben’ny Tanàna farany teo, dia nahavita nampiditra kandida 4 amin’ny 9 izy araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny CENI (Ambalabe Befanjava, Boanamary, Belobaka, Andranoboka). Mampalahelo anefa, hoy izy, fa tsy lany ireo Ben’ny Tanàna 3 (Belobaka, Boanamary, Andranoboka) rehefa tonga tany amin’ny Tribunal Administratif, noho ny tsindry samihafa nataon-dreo. Efa nanao fitoriana amin’ny Conseil d’État izahay, hoy izy, ka miandry am-pitoniana ny valiny. Andaniny, misy ben’ny tanàna 8 nandefa taratasy amin’ny Filoham-pirenena manakiana mafy ity depiote ity sy mangataka ny tsy hanoloana ny Lehiben’ny distrika izay isan’ny niantefan’ny ahiahy ara-pifidianana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo 3 voalaza fa nolaniana amboletra. Noho ny zava-misy, nihaona tamin’ny Ministra Coach ireo Solombavambahoaka maromaro tao amin’ny Faritra Boeny, ka tanjona tamin’izany hitadiavana vahaolana sy fandaminana amin’ireo disadisa politika sy ara-pitantanana, indrindra fa ao Mahajanga II. Tsy izany anefa no nitranga, fa vokatry ny fidiran’ilay Ministra dia vao mainka niharatsy ny toe-draharaha, ka tonga hatramin’ny sarisarinteny fa ny « tena coach mahay dia manao izay hampamiratra ny mpilalao fa tsy mandetika !». “Nisy « forcing » natao tamin’ny fametrahana samboady (délégué spécial) tao Ambato Boeny, Marovoay ary Mahajanga II, nefa tsy nisy fifampidinihana taminay Solombavambahoaka. Na ny mpandrindra fifidianana IRMAR, VPAN mbola tsy nasiany hasiny, nalana baraka imasom-bahoaka izy rehefa nikabary tamin’ny fametrahany samboadin’ireo ben’ny tanàna ihany koa tao Ambovondranomanesy », hoy io depiote io. Raha ny fitoriana lazaina fa fanamparam-pahefana amin’ny fanorenana trano indray, dia nolavin’ity depiote ity marindrano. “Mpandraharaha (entrepreneur) no asako, ka mpanatanteraka asa fotsiny aho. Tsy anjarako ny mikarakara taratasy ara-panjakana amin’ny fanorenana, fa anjaran’ny mpanjifa (client). Tsy mitombina ny fiampangana,” hoy ny valin-kafatra. Mbola mangotraka ny fifamelezana ary mety hisy dosie mafampana hirefotra ato ho ato, raha ny feo mandeha !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT