Politique

Depiote Nozaraina volabe tany amin’ny hotely


  • Zoma 20 Novambra 2015

Miditra amin’ny volana faharoa amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa natokana handinihana ny tetibolam-panjakana ny Antenimieram-pirenena.

Mbola anatin’ny fivoriana tanteraka araka izany ireo solombavambahoaka amin’izao. Nangingina teny Tsimbazaza omaly. Ny fanazavana azo dia hoe : nisy andiana solombavambahoaka lasa any Ankazoabo Atsimo hanao fanadihadiana manokana mikasika ny zava-nitranga marina tany, indrindra ny halatr’omby izay mahavotonontonona ny depiote Mara Niarisy, ka angatahan’ny governemanta ny hanalana ny zony tsy azo enjehina hahafahan’ny mpitandro ny filaminana manao famotorana azy. Raha betsaka anefa dia 20 eo no lasa any. Ny 131 izany tokony ho eto Antananarivo. Tsy izay anefa no kisary hita eny Tsimbazaza omaly. Rehefa nozohina teny ny tontolo andro indray anefa dia nisarika ny saina ny fisiana depiote mivezivezy tetsy amin’ny hotely Carlton. Zon’izy ireo kosa aloha ny miditra hotely, ny andro koa efa somary harivariva omaly. Fa ny fahitana azy ireo miaka-midina any amin’ny rihana ambonin’ity hotely ity no tsy nampandry saina. Vao mainka nisarika anay hanitatra ny fikaroham-baovao ny fisian’izany fivezivezena sy ny fahitana mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimiera tao amin’ny trano fisotroana ao amin’ny rihana ambanin’ity hotely be kintana dimy ity, toa manara-maso ny zava-natao teny. Tao anatin’izany rehetra izany no misy vava misolifatra ka andrenesana fa nisy fizaram-bola tao. Tonga hatramin’ny hoe : 3 tapitrisa Ariary isan’olona. Raha karama, na sarandalana, na tombontsoa fanome eny Tsimbazaza angamba aloha tsy ho any amin’ny hotely no hizarana azy fa zavatra hafa io. Avy aiza ny vola, ny rehetra ve no nomena ? Fanontaniana tsy nahazoam-baliny ireo, sy ny hoe : misy hifandraisany amin’ny ho fandaniana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola 2015 hatao anio ve io sa ketrika hafa ? Na inona anefa antony, ny tranga toy izao no nanome laza ratsy ny solombavambahoaka tamin’ity taom-piasana indray mitoraka ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT