Depiote Nicolas Randrianasolo

«Aza diso misolelaka loatra!»


  • Zoma 12 Septambra 2025

Aza diso misolelaka loatra, hoy ny depiote voafidy

tao Betroka, Nicolas Randrianasolo! Ratsy ihany koa ianao raha diso misolelaka loatra amin’ny filoham-pirenena, hoy izy. Mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana izany «3éme mandat» na fotoam-piasàna faha 3 izany ka tsy isika mpanao lalàna indray no hanitsakitsaka ny lalàmpanorenana. Fe-potoana fiasana miisa 2 ihany no azon’ny filoham-pirenena atao satria izay no mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Misy ireo mpanao politika namanay sasany dia miteniteny foana. Tokony ho sivanina ihany ny zavatra ambara, hoy hatrany izy! Naneho ny alahelony manoloana ny raharaha fifidianana ben’ny tanàna tao Betroka ity depiote ity. Resy teo anoloan’ny fitsarana ny ben’ny tanàna izay mpifanandrina amin'ny ben'ny tanàna tohanan'ny depiote Nicolas, hoy izy. Rehefa resy anefa izy ireo dia mitory anay kanefa izahay dia samy mpanohana fitondrana ihany. Tsy mpanohitra fanjakàna izahay antoko politika GJMP fa ankalazaina fotsiny hoe mpanohitra ao Betroka ao. Nanohana an’izao fitondrana izao efa hatramin’ny tetezamita ka hatramin’izao. Izaho ihany koa dia anisan’ny nanampy ny filoha tamin’ny filatsahany ary fitaovana nanampy azy aho mba ho marin-toerana ny fahazoany fahefana. Tsy maty voalavo an-kibo ireo mpifanandrina ireo ary manao ramatahora kanefa izahay dia nandresy teny anivon'ny «conseils d'état» na filàn-kevim-panjakàna. Didim-pitsarana tsy azo ihodivirana ity nivoaka ity, izay milaza fa nandresy ny ben'ny tanàna izay tohananay, hoy hatrany ity depiote ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT