Politique

Depiote mpanohitra Nihaona tamin’ny Amerikanina sy Frantsay


  • Zoma 20 Aprily 2018

Mandeha ny rahom-bava avy amin’ny fitondram-panjakana momba ny hanakanana ny famoriam-bahoaka hataon’ny depiote TIM, MAPAR, MMM, aryny tsy miankina hanao tatitra amin’ny vahoaka eny anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely rahampitso sabotsy.

 
Nanatitra taratasy teny amin’ny  masoivoho Amerikanina, ka ny mpiraki-draharaha Stuart Wilson no nandray azy ireo. Nitohy teny amin’ny vondrona Eropeanina izany, ary eo ihany koa ny masoivoho Frantsay. Manaitra azy ireo satria fantatsika tsara fa ireo no manome vola raha hanao ny fifidianana, hoy ny depiote sady mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Navoitra ny zava-misy ao amin’ny antenimiera, ny famotehana tanteraka fahalalahan’ny olom-pirenena,... Ny olom-boafidy amin’izao fotoana izao, dia hatao tsinontsinona, ka ny prefe izay olona tendrena no manjary mandrara sy mandrahona azy ireo, ka tsy azo ekena amin’ny firenena tan-dalàna izany, hoy hatrany ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Ny lalàna dia natao hampiharina ho an’ny rehetra, fa misy lalàna ihany koa manery ny depiote hanao tatitra noho ny fampiharana ny tamberin’andraikitra amin’ny olona nifidy azy, amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny zavatra misy ary efa fanaony izany. Nohamafisiny fa hafa loatra ny fomba nandaniana ny lalàm-pifidianana, izay haverinay eto hoe nolaniana tamin’ny kolikoly, hoy hatrany izy. Fa ny ao anatin’ilay lalàna dia tsy hitondra antsika any amin’ny fifidianana mangaraharaha sy eken’ny rehetra. Mampahafantatra izahay, ary manaitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba tsy hiononan’izy ireo fotsiny amin’ny fampindramana vola, fa hijery ireo pitsopitsony maro, hoy hatrany izy ireo.  Efa fantatry ny masoivoho vahiny sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena aloha izany ny zava-drehetra ka tsy hay izay hafitsoky ny fanjakana. Isan’ny sarotiny amin’ny resaka demokrasia ny sehatra iraisam-pirenena, ary mety tsara toerana manaren-tany amin’ny resaka kopisoroka sy ny didy jadona ny fanjakana HVM, ka dia miandry izay hiseho ny rehetra

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT