Politique

Depiote Mohamad Ahmad “Na izaho aza efa nampihorohoroan’ireo”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena aho, hoy ny filohan’ny kaomisionin’ny loharanon-karena stratejika eo anivon’ny antenimieram-pirenena, ny depiote Mohamad Ahmad, fa maro ny manao tatitra vilana any aminy.

Variana manao “business” daholo, hoy izy, ny manodidina ny filoham-pirenena fa tsy misy miaro azy manoloana ireny fanompaompana sy fandrahonana ny fianakaviany ireny mihitsy na ireny fanaratsiana hoe misy volamena ny entany ireny. Rehefa nanao io hetsika amin’ny vato indostrialy io ny tenako, herintaona teo ho eo, dia volamena no nenjehiko toy io. Tonga any amin’ny filohan’ny repoblika ny tatitra dia lasa izao indray no voatonona etsy sy eroa ho manao izany. Navoakako ho hitam-poko, hitam-pirenena fa misy ilay tambazotra. Tsy hiditra amina zavatra ratsy izany solombavambahoaka izany satria tsy mpanatanteraka. Tsy misy olona baikoana. Aoka izay ny fanaratsiana tsotra izao ny solombavambahoaka! Raiso ny andraikitra ry filoham-pirenena! Vonon-kiandry izany lalana momba ny harena an-kibon’ny tany izany mandritra izao fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena izao ny tenako sy ny vaomiera tarihiko. Tena marary ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ka fotoana tokony handraisana andraikitra izao mba hampidirana ny tombon’izany ao anaty kitapom-bolam-panjakana sy ahafahan’ireo vahoaka mpitrandraka misitraka ny harena an-kibon’ny tany ao aminy eny ifotony. Any ivelany vao tratra ireny entana ireny. mitavozavoza no dikan’izany ny tomponandraikitra eto. Tambazotra io iadiako izao io. Maro izany ny minisitera miara-miasa amin’ireny matoa tafavoaka ireny entana ireny. Na izaho tenako izao aza nampihorohoroan’ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT