Politique

Depiote mivory eny Tsimbazaza Mihena am-pitoerana tsikelikely


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Raha mbola mba nisy teo amin’ny 90 teo ireo solombavambahoaka niatrika ny fivoriana nitambarambe teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly maraina tamin’ny fotoana nandinihana nitambatra sy nifidianana ny volavolan-dalàna natolotry ny minisiteram-panjakana misahana ny fanajariana ny tany noho ny nahatongavan’ny minisitra Rivo Rakotovao tenany teny an-toerana.

 

 Tsy ilay volavolan-dalàna loatra no nahaliana ireto solombavambahoaka ireto fa “ao raha”, hoy ny mpitazana avy ety ivelany. Satria resaka fanajariana ny tany mipaka mivantana any amin’ny distrika tsirairay no nodinihana fa sao voamarik’ingahy minisitra ka ho afa-baraka amin’ny vahoaka eo ny mety tsy fahazoana n’inona n’inona. Lany soa aman-tsara tsy nisy nitsipaka toy ny mahazatra ankehitriny moa izany volavolan-dalàna izany. Fa nony tolakandro kosa rehefa ny minisitra hafa, toy ny minisitry ny jono sy ny minisitry ny kolontsaina no tonga niaraka tamin’ireo teknisianin’izy ireo avy dia nihena ampahatelony sisa, lasa 29, ny isan’ireo depiote tafajanona tao an’efitrano ka nanangan-tanana nandany ireo volavolan-dalàna natolotr’izy ireo. Ity isana depiote manodidina ny 30 ity no zary nahazatra tazana teny amin’ny efitrano fivoriana teny Tsimbazaza nandritra izay nihatrehan’ireo ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny taona 2015 izay. Misy antony ny mampalaina ireo depiote mamonjy fivoriana toy izao, hoy ny fanamarihana azo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT