DEPIOTE MILY, VOAFIDY TAO FARATSIHO

Fanjakana marefo no tsy sahy manao fifidianana Sefom-pokontany


  • Alarobia 28 Mey 2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

 

fananana sefom-pokontany voafidim-bahoaka sy vonona tena hampandroso fa tsy tendritendrena fahatany. Fanjakana marefo no tsy sahy manao fifidianana Sefom-pokontany izay tena ain’ny distrika iray. Io no nambaran’ny depiote Mily voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho raha naneho ny heviny mikasika ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any amin’ny toerana nahavoafidy azy izy. Anisan’ny nosinganiny manokana ny ao amin’ny kaominina Miandrarivo sy Vinaninony Atsimo. Tao anatin’ny iray volana raha ny nambarany dia omby miisa 8 no indray nanjavona tao anatin’ny Fokontany iray ka efa very vola hatrany amin’ny 24 tapitrisa Ar ny tantsaha mpiompy. Raha sefom-pokontany voafidy anefa hoy izy no miaina izany dia mba mahalala ny hataony ka tsy ho raisiny ho fananany sanatria ny vava ny Fokontany hiasany fa miezaka mitady izay hahasoa sy hiarovana ny vahoaka izy. Izany indrindra no antony mahatonga anay hamporisika ny fanjakana hanao fifidianana Sefom-pokontany hoy hatrany izy. Notsiahiviny moa fa nofidiana ny depiote, nofidiana koa ny Ben’ny tanana koa maninona koa moa raha fidiana tahaka izany koa ny Sefom-pokontany izay tena mahita ny fiainam-bahoaka eny ifotony ?
Pati
Legende : Depiote Mily voafidy tao Faratsiho !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT