Depiote Masy Goulamaly atao andrimaso

Miantso ny Fanjakana hamotsotra azy ny Antenimiera


  • Zoma 07 Jona 2024

Nandefa taratasy miantefa amin’ny Praiminisitra ny Filohan’ny Antenimierampirenena

mpisolo toerana Atoa Jean Jacques Rabenirina manoloana fanaovana andrimaso manokana ny depioten’i Tsihombe Masy Goulamaly nanomboka ny 01 jona teo. Antony itazonana io depiote io ka ambenana ao amin’ny tranony ao Ambovombe ny raharaha fahamaizan’ny Biraon’ny CENI tao Tsihombe. Taorian’ny fivorian’ny Birao maharitry ny Antenimiera ny 05 jona teo, naneho ny ahiahiny ity fahefana mpanao lalàna ity tamin’ny alalan’ny filohany, ka nampahatsiahy ny voalazan’ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana mamaritra ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » sy ny andininy faha-10 sy faha-11 amin’ny lalàna fehizoro 2014-001 mikasika ny antenimieram-pirenena. Raha ny voalazan’io andininy ao amin’ny lalàmpanorenana io, dia tsy misy depiote azo henjehina sy samborina amin’ny raharaha heloka bevava na heloka tsotra, raha tsy misy ny fahazoan-dàlana manokana avy amin’ny antenimierampirenena, raha tsy tratra ambodiomby ». Notsiahivina ihany koa fa mbola depiote ara-dalàna ity farany, ary ny lalàna fehizoro 2018-010 tamin’ny 8 mai 2018 mikasika ny fifidianana solombavambahoaka no mamaritra, fa ny ampitson’ny fanambarana ny vokatra ofisialy ataon’ny HCC no tapitra tanteraka ny taom-piasana. Nampahatsiahy noho izany ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, fa mila pitsopitsony manokana sy fangatahana ny fanesorana ny « immunité parlementaire » hahafahana manao ny fisamborana sy fanohintohinana ny fahalalan’ny depiote iray. Niantso ny famotsorana io depiote io noho izany Antenimierampirenena tamin’ny alalan’ny Filoha mpisolo toerana mba hahafahan’ity farany manatanteraka ny asany, indrindra fa amin’ny maha filohan’ny kaomisionina momba ny maha lahy na maha vavy sy ny fampandrosoana eo anivon’io andrim-panjakana io azy. Raha ny vokatra vonjimaika any Tsihombe, dia tsy isan’ny ho tafaverina ao Tsimbazaza Rtoa Masy Goulamaly. Hamela malalaka azy ny fitondrana sa tsy hamelana sy ho alentika ity depiote ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT