Politique

Depiote Marokiky Ilaina ny famadihana ho lalŕna ireny sonia vita ireny


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Tokony handalo eny amin’ny Antenimieram-pirenena avokoa rehefa mety ho fifanaraham-panavan-tsonia na « ratification » iraisam-pirenena hataon’ny Malagasy miaraka amin’ny firenen-kafa mba hahazoana mamadika azy ho lalŕna velona entina hampandrosoana ity firenena ity,

 

hoy ny depiote Marokiky avy any Befotaka Atsimo izay mpampakatenin’ny vaomieran’ny fiarovam-pirenena sy fandriampahalemana nitatitra ny asam-baomiera nandinihana ny volavolan-dalàna lah-007/15 tamin’ny 04 martsa 2015 hahazoan’i Madagasikara manao sonia ny « convention d’entraide juridique et d’extradition, contre le terrorisme des Pays francophones d’Afrique » tamin’ny 16 mey 2008 izay fanaovan-tsonia fahafahana manamora ny fifandraisana iraisam-pirenena amin’ny fisamborana sy fandefasana amin’ny tany niaviany ireny mpampihorohoro eran-tany ireny, hoy ny ministry ny fitsarana tonga nanotrona ny fivoriana azon’ny besimaro natrehana. Lanin’ireo solombavambahoaka 17  hany tonga nivory ao anatin’izao fivoriana ara-potoana tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza tsy nisy nitsipaka ny faran’ny herinandro teo moa ity volavolan-dalàna ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT