Politique

Depiote Mara Niarisy Hoesorina ny « immunité parlementaire »’ny


  • Talata 10 Novambra 2015

Taorian’ny fifanazavana henjana nisy teo amin’ny governemanta sy ny depiote momba ny raharaha Mara Niarisy, depioten’Ankazoabo atsimo dia rariny raha toa ka misy ny fanokafana ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mba hahitana ny marina raha araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra ambony iray avy eny amin’ny fiadidian’ny Primatiora.

 

 

Raha  izay no fandehan’ny  tantara  dia tsy maintsy  hisy ny  fangatahana hataon’ny mpanao fanadihadiana na ny  fitsarana ny fanalana  ny zo tsy  azo tohintohinina ananan’ny Solombavambahoaka  Mara Niarisy na «  immunité  parlementaire ». Ahiahy amin’ny resaka halatra omby sy fihazonana fitaovam-piadiana tsy manana taratasy mazava no mety ho vesatra hiampangana azy.Raha ny fandrenesana ny fomba firesaky ny praiminisitra tato ho ato dia ho sarotsarotra ihany ny miandry ity depioten’Ankazoabo atsimo ity.

Hifampiaro

Ho  sarotra  amin’ny  Antenimieram-pirenena ny hanaiky an’io satria  maro  amin’ireo depiote no manafina ny  heloka bevava vita ao  ambadik’io  zo iray io ka tsy maintsy  hifampiaro  izy ireo. Azo  heverina  ihany  koa fa raha  manaiky ny hanalana ny  zo tsy  azo tohintohinina ananan’i Mara Niarisy io ny Antenimieram-pirenena dia  maro ireo ho  very izany  zo izany  satria tsy ny depiote  Mara Niarisy irery  ihany  no  tokony hiatrika fanadihadiana ataon’ny  mpitandro ny  filaminana sy ny fitsarana. Araka ny fantatra ihany koa dia efa nisy solombavambahoaka vitsivitsy  nikasa  hanao raharaham-pihavanana amin’ny  praiminisitra  fa toa tsy nanaiky  ity farany. Dia ho hita eo ny tohin’ny  raharaha. Ilay komity hampanao fanadihadiana  izay tian’ny  Antenimieram-pirenena atsangana  dia tokony hitady ny marina amina raharaha maro toy ny Ankazoabo sy Betroka, Befotaka sy  ny any amin’ny  faritr’i Sofia sy SAVA iny raha  tena sahy   fa tsy be vono vorona fotsiny. Mandeha ny feo fa mety hiteraka  olana amin’ny  fandaniana  ny tetibolam-panjakana  2016 ity raharaha fanadihadiana depiote ity. Ho hita eo ny tohiny.


Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT