Politique

Depiote Mamy Rabenirina «Samia mivonona fa mety mafimafy ny miandry antsika »


  • Zoma 01 Desambra 2023

Anisan’ireo tazana tao anatin’ny fihaonana lehibe nataon’ny Etamazaoron’ny

mpanohitra omaly teny Andohan’i Mandriseza ireo depiote avy amin’ny fanoherana. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny fifidianana, naneho fahavononana ireo kandida, saingy nahita fa misy ny zavatra tsy mety maro. Nitaky fanadiovana fa tsy noraharahiana. Noho izany, na inona na inona zavatra nataon’izy ireo, nampibontsina ny voka-pifidianana, dia nandresy isika satria nanaraka ny toromarika tsy nandeha nifidy ny vahoaka, tsy to teny amin’ny vahoaka intsony ny mpitondra. Na inona na inona holazainy eo, dia tsy nisy fifidianana Filoham-pirenena teto, ary tsy izy iny fifidianana iny amintsika. Manery amin’ny firosoana amin’ny dingana manaraka ny zava-misy », hoy ny depiote Mamy Rabenirina. Tsy mihemotra isika, hoy izy, ary naseho ho hitam-pirenena ny porofo ahafaha-milaza fa tsy izy iny fifidianana iny. Nandresy isika, aty amintsika ny tahan’ny safidy ambony, midika fa to teny ireo Raiamandreny, ka miandry ny toromarika aminareo. Ny dingana tsy maintsy ataontsika dia mamadika pejy vaovao, makany amin’ny tolona izay mitohy, makany amin’ny tanjona mametraka ny demokrasia tena izy, Fanjakana tan-dalàna tena izy, mametraka fanjakana tena afaka hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara. An’ny Malagasy ity, ka tsy ekentsika raha vahiny no hitantana ny firenentsika, koa samia miomana, samia mivonona, ka mety mafimafy noho ny teo no miandry antsika, hoy hatrany ny Depiote Mamy Rabenirina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT