Mbola any ankibon’ny omby ! Rahoviana vao ho teraka ihany ity fanomezan-dalana mifehy ny mpanohitra ity.
Andrasana noho izany ny hamoahan’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izany ary ny antoko TIM dia efa miandry izany, raha ny vaovao voaray. Nambaran’ny solombavambahoaka Mamy Rabenirina avy amin’ny antoko TIM fa efa nametraka ny toerany amin’ny maha mpanohitra azy ny antoko ary efa nametraka ny antontan-taratasy ara-dalàna. Ny eo anivon’ny fitondrana anefa tsy mbola namoaka ny lalàna mifehy ny fonoherana ka samy miandry avokoa ireo milaza azy ho antoko mpanohitra amin’izao. Nambaran’ity depiote ity fa miandry ny fampiharana io lalàna io izy ireo amin’izao. Ankoatra izay dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa rariny sy hitsiny raha toa ka azon’ny antoko TIM ny toeran’ny kestiora fahatelo eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Rehefa nahazo io toerana io aloha dia ampy izay, hoy hatrany ny fanazavana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.