Politique

Depiote Mamy Haja hanao tatitra Notsoriny fa hisy artista any Mananjary


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Adidiko amin'ny maha solombavambahoaka ahy ny manao tatitra aminareo vahoaka nifidy ahy, hoy ny depiote voafidy tao Mananjary, Mamy Haja.

Hanao tatitra zaho amin'ny sabotsy 25 martsa 2023, hoy izy. Eo atsinanan'ny “Trésor” no hanatanterahana izany, hoy ihany ny tenany. Notsoriny moa fa mba tsy aha monamonaina ireo hihaino ny tatitra dia nentiny miaraka aminy ny artista Lico Kininike iray manontolo na “au grand complet” . Tsiahivina fa depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona politika an’ny fitondrana ankehitriny ity solombavambahoaka ity. Andrasana araka izany hoe ho voasakana tahaka ireo depiote hafa nikasa hanao tatitra ihany koa saingy mpifaninana amin’ny fitondrana ankehitriny toa an-dry depiote Mohamad Ahmad ve sa tsia?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT