Politique

Depiote Mamangy Norbert Notebahan’i Jaovato ho mpamadika


  • Talata 28 Martsa 2023

Nanaitra ny mpanara-baovao tany SAVA ny teny mahery sady nahitsy nataon'ilay mpandraharaha, depioten’Antalaha teo aloha, sady mpitarika ny “SOS Vanille”,

Laisoa Jean Pierre na Jaovato, tamin’ny depiote voafidy tao Sambava, Mamangy Norbert na i Jack. Teo imason'ny iraky ny fanjakana nahitana mpikambana miisa 3 ao amin’ny governemanta sy ny tomponandraikitra ara-panjakana any SAVA ary ireo mpisehatra ny lavanila, nifampidinika ny hamaha ny olana taorian’ny fitakiana nataon’ny “SOS Vanille”, no nanebahan’i Jaovato an'i Mamangy Norbert ho mpamadika. Nampangainy mihitsy aza io depioten'i Sambava io fa ambadiky ny fanakorontanana any SAVA any ka mampisavoritaka amin’izao fotoana izao. Tsy nitsitsy fitenenana i Jaovato momba ity olom-boafidy ao Sambava ity. Vahaolana no katsahina, hoy ny mpitarika ny “SOS Vanille”, fa tsy olona hamboly korontana. Na teo aza izany, afaka namaha ny olana ary nitady marimaritra iraisana, ny solotenam-panjakana foibe sy ny mpisehatra lavanila, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT