Mivaro-tena no kisary an-tsaina hitan’ny rehetra raha mijery ny rivotra sy ny tontolo iainan’ireo depiote eny Tsimbazaza tao anatin’izay fivoriana in-3 miantoana tao anatin’ny 1 volana latsaka kely izay.
Na dia niezaka nanazava ny sary niparitaka mikasika azy manokana aza ilay solombavambahoaka vehivavy niharany dia tonga tamin’ilay teny filamatry ny mpanoratra maoderina hoe “ Ny teny mandalo, ny soratra mitoetra fa ny sary mahenika” iny raharaha iny. Tetsy an-kilany, tsy vao ny talata teo akory no efa nalaza ny hoe 50 tapitrisa ariary no nividianana ny safidin’ireo depiote sasany fa mbola vao nanomboka iny fivoriana faha-3 iny. Ny talata teo anefa dia nilaza ho nanana porofo ireo depiote nanohitra ny kolikoly teny Tsimbazaza fa tena nahita tokoa fa nisy nandray nihoatra an’io lelavola voalaza io aza. Noho ity andrim-panjakana ity feno mpandraharaha manao politika ve no antony toa maha raiki-tampisaka ny kolontsaina amin’ny fitadiavana ny tombontsoa mihoapampana ho an’ny tenan’izy ireo manokana ? Sao dia lasa fanakonana ireo trafika maloto hafa any ambadika ihany koa no mody nidirana ho depiote ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.