Depiote "Mahaleotena"

Miainga sahady ny ketrika ?


  • Talata 02 Jolay 2024

Hivory voalohany eny amin'ny antenimierampirenena Tsimbazaza ny talata 9 jolay 2024

ho avy izao ireo solombavambahoaka voafidy ny 29 mey.Fivoriana tsy ara-potoana izy ity, hametrahana ny fitsipika anatiny, birao maharitra, ny vaomiera isan-tsokajiny, ireo vondrona parlemantera. Momba ity farany ity dia re omaly, teny Tsimbazaza fa efa mihetsiketsika fatratra ireo depiote ambara fa "indépendant" na mahaleotena. Nisy ny antso nataona olomboafidy iray voafidy teto an-drenivohitra ny amin'ny hoe tokony hitambatra ho iray ireto depiote mahaleotena ireto. Raha ny re omaly anefa dia hisy karazany roa ny vondron'ny mahaleotena eny Tsimbazaza dia ny depiote mahaleotena efa depiote teo aloha, izy ireo ilay mety hoe tsy nofidian'ny antoko politika nisy azy intsony dia nanao kandida mahaleotena ka lany. Ny vondrona parlemantera an'ny mahaleotena faharoa kosa dia ireo izay mihitsy vao voafidy ho solombavambahoaka. Manana hery politika lehibe ireo depiote mahaleotena 50 mahery kely eny Tsimbazaza ka heverina fa tongatonga ho azy ity hoe Mahaleotena 1 sy 2 ity fa dia efa misy ketrika ao. Tsy nanomboka nivory akory, tsy niaka-dapa akory izany dia efa miainga sahady ny sera politika ho an-dry depiote tsy miankina isany, raha ity resaka re omaly teny Tsimbazaza ity no raisina. Fomba fanao efa tsy dia mahagaga intsony raha ny fanaovana politika eto Madagasikara mampisongadina hatrany ny sakaizan'ny mpandresy, fa ny fanontaniana manitikitika dia ny hoe hanao inona ? Hampiasa ny fahefana am-pelatanana mba hanerena ny governemanta hiasa tsara sy mahomby kokoa ho an'ny tombotsoan'ny firenena ve sa ho tavela amina adilahy politika miodinkodina am-pitoerana manome vahana ny tombotsoan'olom-bitsy sy hiaro antoko fotsiny ? ENCADRE Malalaka hiditra amin'izay vondrona parlemantera heverina fa mety aminy ny solombavambahoaka mahaleotena na tsy miankina, izany hoe tsy voafidy tamin'ny anarana antoko, raha ny voalazan'ny andininy faha 72 ao amin'ny lalampanorenan'ny repoblika faha-4.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT