Politique

Depiote lany henatra amin’ny kolikoly Mihevitra ny vahoaka ho dondrona


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Sesilany ny fanadiovan-tenan’ny depioten’ny fitondrana manoloana ny fipariahan’ny horonantsary malaza ho nandritra ny fanaovana kolikoly tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana.

 Ao ny milaza fa efa tamin’ny taona 2016 ireny. Ao ny miteny fa nandritra ny fizarana solika ho an’ny depiote. Tsy misy mpiasam-panjakana mizara vola amin’ny “chambre” izany, ary raha resaka solika izany dia manana ny atao hoe “carte magnétique” ny depiote amin’ny fakana izany. Raha hiverenana ny asan’ny solombavambahoaka, dia mpanao lalàna ary tokony izy ireo no fatra-panara-dalàna sy ho fitaratra amin’ny fitondran-tena, saingy ireny niaraha-mahita ireny ny sarimihetsika mamohehitra tsy mendrika amin’ny maha olom-boafidy. Mihevitra ny Malagasy ho dondrona sy kentrina, ka mbola miezaka manadio tena eo anatrehan’ny efa fihetsika nivoaka ho hitam-poko hitam-pirenena fa tsy manjary. Ezahina voizina sy ialokalofana amin’izao fotoana izao ny hoe tsy mbola azo raisina ho porofo eny amin’ny fitsarana ny resaka horonam-peo sy horonantsary eto amintsika. Sanatria ve ka ho vitavita ho azy ity resaka kolikoly sy fihetsika mamoafady manala baraka ny andrim-panjakana Malagasy ity ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT