Nanao tombana sy famintinana ny fanarahana akaiky ny fanajana ny Toky Nomena nasehon` ireo ho solombavambahoaka nandritra ny fifidianana izay natao farany teo ny komity iombonanan ho an` ny Dina.
Ny vondrona IRD no isan` ny tompon`antoka tamin`ny fandikàna ny Toky Nomena tamin` ny salan` isa 49%. Manaraka azy ny tsy miankina, 42%. 3%n` ny antoko TIM kosa dia nandika izany. Ny Dinike sy ny ADN, 2%. Eo amin`ny fanajàna ny fanoloran-tenan` ireo kandidà indray dia saika nitranga tamin` ny fanaovana fampoielezan-kevitra ny fandikana ny Toky Nomena. Marihana fa 95 tamin` ireo depiote 151 vao lany farany teo no nanao sonia izany. 553 tamin` ireo 820 nirotsaka tamin` ny fifidianana depiote no nanaiky fanajana azy. Misy fanolorana tena 29 ao anatiny ary nifantoka tao anatin` ny hevi-dehibe enina. Isan` ny tolokevitra naroson`ny komity iombonana ny handaninan` ireo solombavambahoaka lalàna momba ny fitsipi-pitondran-tena sy hampiharana izany eo amin`ny fanaovana politika. Eo ihany koa ny fanamafisana ny mangarahara sy ny tamberinandraikitr` ireo depiote.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.