Depiote Idealson

Nanapa-kevitra ny hanohana an'i Siteny


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Tany Ejeda no nanambaran'i Keron Idealson solombavambahoakan'Ampanihy andrefana fa rehefa avy nitafa sy

niara-nidinika tamin'ireo olobe sy ireo mpiara misehatra ara-politika dia nanapa-kevitra ny tenany fa hanatevin-daharana ireo mpanohana an'i Siteny Randrianasoloniaiko izay na mbola tsy nanambara ofisialy aza dia efa tsy miafina amin'ny rehetra intsony fa ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io. Hatrany am-piandohan'ny Mihava Tour moa no efa nanambara ireo depiote miara-dia amin'i Siteny fa mbola hisy naman'izy ireo, izany hoe depiote hafa hanatevin-daharana ka dia izao nipoitra izao ny depiote Idealson.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT