Mampanontany tena ny maro ny tena antony nanatanterahana fivoriana mihiboka an-trano teny amin’ny hotely lehibe kintana 5 Le Paon d’Or Antanetibe Ivato ho an’ireo depiote mpomba ny fitondrana HVM.
Natomboka ny alarobia 28 aprily ny fivoriana ary nofaranana tamin’ny fety be fiaraha-misakafo sy misotrosotro ny faran’ny herinandro teo. Tena fandinihana ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana tokoa ve no teny sa adivarotra ny amin’ny hampandaniana azy eny Tsimbazaza anio talata ? Ankoatra izay, iza no nandoa vola tamin’io fivoriana teny amin’ny Paon d’Or io ? Sarotra inoana aloha hoe samy namoaka am-paosy sy nianto-tena ireo solombavambahoaka ireo. Ny hofan’ny trano lehibe nivoriana, iza no nanefa azy isan’andro ? Ny hofan’ny trano fatoriana sy nipetrahana ? Nisy mantsy ireo nijanona teny fa tsy nody. 257 000 ariary ka hatramin’ny 1 542 000 ariary isan’andro ny hofan’ny efitrano araka ny safidy sy ny sokajiny. Boriboriana hoe ireo solombavambahoaka 70 mianadahy manohana ny fitondrana ary nandany ilay fampihemorana ny fandaniana ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana no nivory teny amin’ny Paon d’Or, dia tafakatra ambonimbony ihany ny tarehimarika sy ny vola lany. Maika hampandany ilay lalàm-pifidianana tokoa angamba ny fitondrana HVM ka manao ny fomba rehetra heveriny fa hahavitana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.