Politique

Depiote ho an’ny Fanovana “Miala ny filoha, izahay tsy hivory intsony…”


  • Alarobia 02 Mey 2018

“Tsy laharampahamehana intsony ny fanatrehana ny fivoriana ara-potoana eny Tsimbazaza amin`izao satria tsy laharampahamehana eo amin`ny vahoaka nifidy anay ny fandaharam-potoana hivoriana any”,

 

 hoy ny solombavambahoaka Christine Razanamahasoa nandritra ny valandresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety omaly. Isaky ny talata voalohan’ny volana mey no misokatra ara-pomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana eny amin`ny Antenimieram-pirenena ary hita fa banga ny seza teny Tsimbazaza. Araka ny fanazavana hatrany dia anisan’ny fitakiana ny fanesorana ny filoham-pirenena am-perinasa. Eo ihany koa ny fangatahana nataon`ireo depiote ho an`ny fanovana mahakasika an`ilay lalàm-pifidianana mitera-doza izay efa eo am-pelatanan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mitaky izy ireo fa tokony hiasa sy hijery akaiky sady haingana ireo fangatahana ity andrim-panjakana ity ary miankina amin`izany indrindra no hiverenana eny amin`ny lapan`i Tsimbazaza na tsia. Manaraka izay, tompon`andraikitra feno amin`ny ho fivoaran-draharaha ny HCC satria mila mijery ny toe-draharaha ankehitriny, indrindra ny hetahetam-bahoaka, hoy ireto depiote ireto. Ny firenena manontolo no mitaky ny tatitra ary tsy misy intsony ny fitokisana an`Atoa Rajaonarimampianina satria nahavanon-doza sy nandatsa-dra, hoy hatrany ny kabary teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly. Mahakasika ny fanesorana ny filoha am-perinasa indray, raha toa ka tanteraka izany dia efa vonona hametraka ny rafitra rehetra ireto solombavambahoaka 73 ireto ary tsy hamadika ny fitokisan`ny vahoaka amin`izay fanapahan-kevitra horaisina raha tonga amin`ny tanjona iriany. Efa nanambara ombieny ombieny ireo depiote ho an`ny fanovana fa raha mbola miziriziry hatrany tsy mety hiala ny filoha dia hihamafy ny tolona. Vahaolana tokana amin`izao krizy politika izao ny fialany mba hampisy ny filaminana, hoy hatrany izy ireo.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT