Depiote Hanitra Razafimanantsoa

« Avelao halalaka ny rehetra raha tena matoky tena »


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Mariky ny fahalemena io satria raha matoky tena dia avela hirotsaka daholo izay te hirotsaka.

Maneho ny fahavonany izy, mitondra ny anjara biriky ho fanavotana ny renivohitra, ary anjara biriky ho an’i Madagasikara izany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa izay Filohan’ny Vondrona Parlemantera Firaisankina omaly, manoloana ny fanakanana teny amin’ny Magro Behoririka. Raha mandroso Antananarivo dia ny Fitondram-panjakana no mahita hoe : mandroso i Madagasikara satria taratry ny fandrosoan’ny Firenena. Fanetren-tena ho an’ny Filoha teo aloha ny finiavana hanarina an’Antananarivo, kanefa vao fanombohana hivavaka sy hivory dia efa antsojay, raha ny nambarany. Tanjona ny hitondra am-bavaka ny firotsahan’ny kandida rehetra, kanefa mariky ny fahatahorana sy fanaovana tsinontsinona ny zon’olombelona no setriny : zo hivavaka, zo hivory, zo hivezivezy,… hoy i ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nahitsy ny tenany fa « Farfelus » ny valin-tenin’ny Prefe izay milaza fa feno biraom-panjakana eo, ka hafindra any Tanjombato izay kaominina hafa. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanakanana, afaka tsy nangataka izahay fa fifanajana ny fametrahana taratasy fa hisy fotoam-bavaka, ka rehefa tsy mifanaja dia aleo ny vahoaka no hitsara, hoy io depiote io. Androany hoy izy no mitondra, androany no manao fitaovana ireo mpitandro ny filaminana, kanefa betsaka ny toerana mila azy ireo manerana ny Nosy. Andrasana moa ny tohiny, fa raha ny seraseran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly, dia tontosa omaly teny amin’ny Biraon’ny Distrika Antananarivo I ny « dépôt de signature » sy ny « légalisation » ilaina amin’ny taratasy firotsahany ho fidiana Ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT