Depiote Gerry Andriambolaina

« Malalaka hilaza ny heviny ny mpikatroka ifotony »


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

fa tsy midika ho nangina na manaiky ny fanendrena ilay kandida ho solombavambahoaka ao Avaradrano natolotry ny vovonana Firaisankina. "Tsy mety aminay ary lavinay hatramin'ny farany io kandida io", hoy ny mpikatroka sasany eny ifotony. Mifikitra mafy amin’ny depiote am-perin’asa ary tsy nankasitraka ny nanilihana ity farany, raha ny firesak’izy ireo. Nanaja hatrany ny fitsipiky ny antoko izy, teo foana ary nitolona ho an'ny tombontsoam-bahoaka, voky traikefa satria efa depiote nandritra ny valo taona.", hoy izy ireo. "Tenenina izahay fa kandida an'ny vovonana Firaisankina anie no resaka fa tsy kandida an'ny TIM ka tsy tokony hitabataba rehefa tsy TIM ilay olona ; marina izany kanefa ilay olon'ny TIM am-perinasa efa hita izao fa ho lany satria efa nofidian'ny olona in-droa misesy izao ary voalohany foana koa maninona no soloina, sao tsy te hahazo depiote eto Avaradrano", hoy ireto tsy faly tamin’ny nandrotsahana olona tena avy amin’ny TIM ireto. Nisafidy ny tsy hiteny betsaka kosa ny depiote Gerry Randriambolaina, izay takian'ny "base" ny haha kandidan'ny Firaisankina azy. "Malalaka ny hilaza ny heviny ny mpikatroka ifotony, ary izay rahateo ny demokrasia", hoy izy. Mbola mitohy noho izany ny adihevitra manodidina ity fisafidianana kandida ao Avaradrano ity. Mbola manantena moa ireo mpikatroka fa hisy ny fiovana rehefa mivoaka ny “mandat défintif” misy ny anaran’ny lisitra faharoa.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT