DEPIOTE FIVOI

Soloy ny lehiben'ny distrikan'Arivonimamo !


  • Alarobia 17 Septambra 2025

Feno ny kapoakan'ny antoko Fivoi manoloana ny

hafitsoky ny Lehiben'ny distrikan'Arivonimamo. Solombavambahoaka miisa 4 voafidy tamin'ny anaran'ity antoko ity no indray niara-nitafa tamin'ny mpanao gazety teny Imerintsiatosika omaly Talata 16 Septambra notarihin-dRajerison Antoine. Nambaran'izy ireo fa kamo miasa tsy miditra birao ity lehiben'ny distrika ity no vato misakana ny fampandrosoana ao Arivonimamo ihany koa ka tokony alana amin'ny toerany. Hetahetan'izy ireo ny hanalana io tompon'andraiki-panjakana io amin'ny toerany anio Alarobia 17 Septambra mandritra ny filan-kevitry ny Ministra. Ankoatra ny zavatra maro izay tsy mety hataon'ity lehiben'ny distrikan'Arivonimamo ity izay efa navoakan'ny Tia Tanindrazana omaly toy ny tsy fanaovany sonia ny tokony hivoahan'ny CIAD na ilay vola tokony hanasoavana ny fiainam-bahoaka ao Arivonimamo, ny fanoloana sefom-pokontany sy ny fanamparam-pahefana hatao amin'ireo fiara mivezivezy any amin'ny lalam-pirenena voalohany dia fantatra fa nanao hadalana goavana koa ity lehiben'ny distrika ity. Araka ny porofo eo am-pelatanan'ny antoko Fivoy mantsy dia nanao hosoka karapanondrom-pirenena maro ity lehiben'ny distrika ity nandritra ny fifidianana Ben'ny tanana farany teo. Nakany olona mpikarama an'ady nandeha nifidy nisolo toerana ny tompon'ny karatra izany. Fantatra moa fa hoalefan'izy ireo any amin'ireo tompon'andraiki-panjakana rehetra mahefa ilay taratasy fangatahana ofisialy ny fanoloana ny lehiben'ny distrikan'Arivonimamo. Raha sanatria ka mihirim-belona kosa ireo tompon'andraikitra dia fantatra fa vonona hanohy ny tolona hatrany izy ireo.
Pati
Légende : Ireo depiote miisa 4 voafidy tamin'ny anaran'ny antoko Fivoy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT