Depiote Fidèle Razarapiera

“Ny nataon’I Andry Rajoelina no averina aminy”


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Solombavambahoaka maro voafidy tamin’ny faritra samihafa eto Madagasikara no nanamafy sy manohana ny Tolona

ataon’ny Firaisankinan’ny kandida. Nanamafy ny fitanilan’ny governemanta sy ny rafitra maro samihafa miantsoroka ny fikarakarana sy fitsarana ny fifidianana. Isan’ny niantso ny hanamafisana ny hetsika manomboka amin’ity herinandro ity depiote Fidèle Razarapiera. Niantso ny mpiasam-panjakana hiroso amin’ny fanakatsoana ny raharaham-panjakana mba hanafainganana ny tolona. Amin’ny maha zanaka manamboninahitra azy, niantso ny mpitandro ny filaminana mba hanatsahatra ny famoretana sy ny fampiasan-kery tsy mifanentana amin’ny hetsika am-pilaminana ny tenany, ary niantso azy ireo hitodika amin’ny vahoaka. Nahitsy ny hafatra politikan’ny Depiote Fidèle Razarapiera tamin’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina hoe: "Hafatra ho anao Rajoelina, maro izahay niaraka taminao tamin'ny 2009 no eto. Ny nataonao ihany no averina aminao".
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT