Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Tsy mahita fitiavan-tanindrazana ao aminao izahay Atoa Filoha”


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Nilaza ny CENI tany aloha fa 145 miliara Ariary no tetibola takiany hanatanterahana fifidianana dia nahenany ho atsasany tamin’ny alalan’ny fanambaran’ny minisitra sy praiminisitra izany,

hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako i Madagasikara na TIM, Fetra Ralambozafimbololona. Miharihary eo, hoy izy, ny tsy fahaleovantenan’ilay kaomisionina mangata-bola. Raikitra ihany moa iny ny daty fa ny angatahanay avy aty amin’ny fanoherana dia ny hitovian’ny rehetra anaty fanatanterahana hetsika satria anaty vanim-potoana mialoha fifidianana isika. Ny 10 oktobra no hanomboka ny fampielezan-kevitra, raha ny nambaran’ny governemanta. Amin’izao mety hivezivezy hikarakara fivoriana sy fanomanana ny antoko tsirairay avy izay tsy miaradia amin’ny fitondrana mba hanana fahafahana mitovy amin’ny antoko miaradia amin’ny fitondrana. Aoka atsahatra ny fomba mamoha henatra teo aloha toy ny fanakantsakanana, baomba mandatsa-dranomaso, samy Magro no nangatahana fa naninona no navela izahay tao Tanjombato dia naninona no tsy navela tao Antsirabe? Naninona no nosakantsakanana tany Mahajanga, Toliara, hatraiza? Ny fitondrana manao ny ataony mandoatra vary sy mitety ity rehetra ity. Tokony hijoro ho raiamandreny ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izay tomponandraikitra voalohan’ny OMC. Atsaharo ny fandefasana olona tsy mitovy hevitra aminareo any am-ponja sy ny toy ireny! Tsy ady no tadiavina fa hevitra no ampiadiana. Tsy misy na inona na inona ho antenaina raha ny mikasika ny resaky ny filoham-pirenena amin’ny alahady. Efa tsy gasy intsony ianao andriamatoa filoha. Nofitahinao na ny andrim-panjakana na ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana. Andrim-panjakana iray ianao fa tsy filoham-pirenena fotsiny. Mariky ny fiandrianam-pirenena sy fahaleovantenan’ilay firenena. Ny andininy faha 42 amin’ny sata mifehy ny zom-pirenena milaza mazava fa very ny zom-pirenena maha malagasy anao raha vao mangataka zom-pirenena hafa vahiny. Tsy mahita fitiavan-tanindrazana ao aminao izahay andriamatoa filoha. Raha nangataka zom-pirenena zambianina ianao na finlandey na ganeanina na hafa dia tsy miady amin’ireny isika fa ilay frantsay mbola mifanditra amintsika amin’ny fahazoana ireo nosy manodidina mihitsy no nangatahanao. Manompo frantsay sy manana filoham-pirenena frantsay anefa ianao. Nanao fianihanana ianao fa hiaro voalohany indrindra ny tombontsoan’i Lafrantsa. Famadihana fara-tampony na “Haute trahison” izany. Voafatotra tsy hitaky ireo nosy manodidina ianao izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT