Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Tsy ho lany intsony ireo na hanao mazia aza!”


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Fanehoan-kevitra diplaomatika ny an’ny frantsay, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

Niteny izy hoe tsy hijabaka amin’ny fifidianana dia enga anie mba ho izay tokoa, hoy izy. Ny 40%n’ny famatsiam-bola sy famatsiana ankapobeny eto avy amin’ny frantsay. Ny resaka fifidianana moa be dia be no manampy antsika amin’ilay “Basket fund”. Iarahantsika mahalala fa tena nanampy izao fitondrana izao raha nanongam-panjakana ny taona 2009 ny firenena frantsay, tamin’ny alalan’ny masoivohony teto amintsika. Tsara izy rehefa mahatsapa tena. Afaka mandefa mpanara-maso fa ny antsika koa indraindray matin-kambo ilay mpitondra. Efa hita fa tsy ho ampy ilay 45 miliara Ariary dia mbola hoe rehefa tsy hanampy ny any ivelany dia ho tanterahana amin’ny tetibola misy eto ihany. Aiza moa ny olona no tsy hiahiahy hoe ohatran’ny tsy te hanatanteraka fifidianana ireto mpitondra ireto? Efa fantany fa tsy ho lany intsony ireo na hanao mazia aza! Tsy ho lany intsony andriamatoa Andry Rajoelina sy ny TGV-ny raha tena mandeha amin’ny ara-dalàna io. Ny ahiana fotsiny dia efa fantatry ny rehetra ny fomba fanaony ankoatran’ny laingalainga sy fitaka dia ilay voalaza tamin’ireny toriteny teny Antsonjombe ireny hoe “tandremo ny hala-bato!”. Tsy nisy niteny mihitsy hoe izy no mpangala-bato fa izy moa no nahatsiaro voatifitra. Mety fay amin’ity fitondrana ity koa ny frantsay satria diso safidy ary nisy tena akaiky ny masoivoho frantsay niteny tamin’ny tenanay mihitsy tamin’izany fotoana hoe loza ity, hoy hatrany ity filohan’ny parlemantera TIM ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT